<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Lay ora tao Getsemane FFPM815</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Andriamanitra Rainay,
 Mihainoa ! (in-3)
 Miondrika eto anatrehanao
 izahay,
 Fa Hianao no Andriamanitray,
 Ka henoy izahay !

[V2]
 Ry Jeso Kristy, Zanak'
 Andriamanitray,
 Mamonje ! (in-3)
 Fa Hianao no Mpamonjy
 izao tontolo izao,
 Ary ny Ranao no nanavotanao
 anay,
 Ka vonjeo izahay !

[V3]
 Ry Fanahy Masina,
 Mpananatra anay !
 Diovinao ! (in-3)
 Fa Hianao no mahay manadio
 ny fonay
 Mba ho tempoly mendrika
 ny hitoeranao,
 Diovinao izahay !</lyrics>
<hymn_number>815</hymn_number>
<author>Asa Hull</author>
</song>